Poem in Malagasy
Ilay mpitoka-monina sy ilay amboadia
Hoy ilay mpitoka-monina rehefa avy nanipika teo amin’ny fasika :
“Tsy mahazo mandingana ity tsipika ity ianao.”
Dia nanoritra faribolana izy no nanao hoe:
“Tsy mahazo miala avy ato anatin’ity faribolana ity ianao.
Io no azonao dinganina fa tsy ny tsipika.”
Nitranga ary ny tafio-drivotra, dia indro fa nanjavona ilay tsipika.
Io fa nisy amboadia iray tao anatin’ilay faribolana.
Drodroky ny hatsiaka, hotsaky ny orana izy kanefa tsy nihetsika.
Tsy fantany raha mbola ao ihany ilay tsipika rehefa tsy hita eo amin’ny
fasika intsony.
Translated into Malagasy by Noro Fiaferana